175 episodios

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/

Fiangonan'Andriamanitra Miray Fiami Radio

    • Religión y espiritualidad

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/

    Iza ary Inona Andriamanitra?

    Iza ary Inona Andriamanitra?

    Maro no mihevitra fa tsy misy Andriamanitra, ary mino fa izqo rehetra izao dia nivoatra avy tamin'ny tsy misy. Nefa ny Baiboly dia mirakitra ny momba Ilay Andriamanitra Mpamorona izao rehetra izao, dia ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny zava-boaary ao aminy. Ny tantaran'ny famoronana dia voarakitra ao amin'ny Baiboly, izay manambara fa Andriamanitra no nanao ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra sy ny tarehany no nanaovany azy.
    Iza ary Inona Andriamanitra? Araho ny lesona mirakitra ny fanazavana atolotry ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana.
    Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia azonao trandrahana ao amin’ny tranokalanay. Https://fiamitoriteny.blogspot.com

    ---

    Send in a voice message: https://podcasters.spotify.com/pod/show/fiangonan-andriamanitra-m/message

    • 4 h 36 min
    Ny Batisan'ny Rano

    Ny Batisan'ny Rano

    "Izay mino sy atao batis no hovonjena; Izay tsy mety mino no hohelohina." (Marka 16:15-16)


    ---

    Send in a voice message: https://podcasters.spotify.com/pod/show/fiangonan-andriamanitra-m/message

    • 2 h 13 min
    Inona ny olombelona?

    Inona ny olombelona?

    Jehovah Andriamanitra Ray sy ny Teny no nahary ny olombelona, ary tahaka ny endrik'Andriamanitra no nahariany azy. Nefa voasoratra ao amin'ny Baiboly fa iza ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.

    Andriamanitra irery no tsy mety maty , fa ny olombelona dia mety maty. Nefa manana anjara ho tonga zanak'Andriamanitra, fanahy, koa ny olombelona, ary izay zanak'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. 



    Dr Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara no manolotra ho anao ny toriteny fianarana Baiboly. Ny literatiora sy fanazavana fanampiny dia voarakitra ao amin'ny Toriteny ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray.


    ---

    Send in a voice message: https://podcasters.spotify.com/pod/show/fiangonan-andriamanitra-m/message

    • 5 h 9 min
    Fetin'ny Tabernakely sy Fara-Fivoriana

    Fetin'ny Tabernakely sy Fara-Fivoriana

    Jesosy Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly dia nitandrina ireo andro masina firavoravoana voatendrin'i Jehovah ireo. Inona no hevi-panahin'ny fety? Nahoana isika no tokony hitandrina izany koa ankehitriny?

    Araho ny toriteny fianarana Baiboly mahafinaritra atolotry ny Fiangonan'Andriamanitra Miray. Fantaro ny zavatra rehetra ary mifohaza ka katsaho ny Fanjakan'Andriamanitra mba hanananao anjara fiainana mandrakizay miaraka amin'i Jesosy Kristy Tompo.

    Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana ao amin'ny United Church of God na Eglise de Dieu Unie, vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Efa misy ny fiangonana eto Antananarivo, Madagasikara ary misy ny tranokala mirakitra ny fianarana rehetra. Azonao henoina koa ny internet radio. Ny rohy dia azonao jerena ato: https://ucgmada.blogspot.com


    ---

    Send in a voice message: https://podcasters.spotify.com/pod/show/fiangonan-andriamanitra-m/message

    • 3 h 39 min
    Ny Tontolo Mahafinaritra Rahampitso

    Ny Tontolo Mahafinaritra Rahampitso

    Ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia hotahiana ny firenena rehetra, ary haniry ny hianatra ny didy sy lalàn'Andriamanitra ny firenena rehetra. Hanefy ny sabany ho fangady ny olona ary tsy hianatra ady intsony. Ary na dia ny biby masiaka aza dia hiova ho malemy fanahy ka tsy handratra eran'ny tendrombohitr'i Jehovah. Hisy vokatra be dia be amin'izany. Ny tany hahavoka-javatra, ary ny olona ho malemy fanahy sy hitady an'i Jehovah.

    Dr. Daniel Rakotondravony no mitondra ny fampianarana ho anao. Izy dia mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray eto Madagasikara, ao anatin'ny vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Ny lahatsoratra sy fanazavana fanampiny dia hitanao ao amin'ny tranokala: https://ucgmada.blogspot.com ao amin'ny Toriteny.

    Raha maniry ny hiara-mivavaka aminay ianao dia mifandraisa aminay. Azonao atao koa ny mandefa hafatra ao amin'ny Facebook.


    ---

    Send in a voice message: https://podcasters.spotify.com/pod/show/fiangonan-andriamanitra-m/message

    • 3 h 36 min
    Oviana no fotoana nahaterahan'i Jesosy Kristy?

    Oviana no fotoana nahaterahan'i Jesosy Kristy?

    Maro ny kristiana no mankalaza ny krismasy na noely, nefa tsy mahafantatra ny tena antony niandohan'ilay fety akory. Mino izy ireo na ny marina dia voafitaka izy ireo ka mino fa ny krismasy na noely dia fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan'i Jesosy Kristy. 

    Ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesosy dia tsy anisan'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah ao amin'ny Baiboly. Toy ny fivavahana amin'ny andro alahady ihany dia namorona fety ho azy araka ny fiheviny ny olona hoentiny hanaovana fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah Andriamanitra, Izay namorona ny tany sy ny lanitra ary nitsahatra tamin'ny asany tamin'ny andro Sabat, andro fahafito.

    Dr. Rakotondravony Daniel, mpiandraikitra ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, mpikambana ao amin'ny Eglise de Dieu Unie na United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, no mitondra ny fampianarana ho anao. Aza adino ny mamaky hatrany ny Baibolinao sy mangataka ny Fanahy Masin'Andriamanitra mba hanokatra ny fo sy ny sainao hahalala ny marina sy ho afaka amin'ny fahadisoan-kevitra rehetra. Ny fanazavana sy literatiora fanampiny dia azonao trandrahana ao amin'ny tranokala ihany, amin'ny fizarana momba ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah.

    https://fiamiray.blogspot.com na https://ucgmada.blogspot.com


    ---

    Send in a voice message: https://podcasters.spotify.com/pod/show/fiangonan-andriamanitra-m/message

    • 1h 39 min

Top podcasts en Religión y espiritualidad

DOSIS DIARIA ROKA
Roka Stereo
365 con Dios
Wenddy Neciosup
Dante Gebel Live
Dante Gebel
Podcast El Lugar de Su Presencia
El Lugar de Su Presencia
Meditación Guiada | Meditaciones Guiadas | Meditar | Relajación | Sí Medito | En Español
Rosario Vicencio - Guía de meditación, reiki master y coach de bienestar.
¿Qué Haría Jesús?
JuanDiegoNetwork.com & Regnum Christi